Levitikosy
12 Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 2 “Lazao amin’ny zanak’Israely hoe: ‘Raha misy vehivavy mitoe-jaza+ ka tera-dahy, dia haloto fito andro izy, toy ny amin’ireo andro ahalotoany rehefa tonga fotoana.+ 3 Hoforana ny zaza amin’ny andro fahavalo.+ 4 Ary hanadio ny tenany mandritra ny telo amby telopolo andro fanampiny ravehivavy, noho ny rany. Tsy hikasika zava-masina izy, na hiditra ao amin’ny toerana masina mandra-pahatapitr’ireo andro fidiovany.+
5 “‘Fa raha tera-bavy kosa izy, dia haloto efatra ambin’ny folo andro, toy ny mandritra ny fadimbolany. Dia hanadio ny tenany mandritra ny enina amby enimpolo andro fanampiny izy, noho ny rany. 6 Rehefa tapitra ireo andro fidiovany noho ny niterahany zazalahy na zazavavy, dia hitondra ondrilahy kely tsy mihoatra ny herintaona izy, ho fanatitra dorana,+ ary zana-boromailala iray na domohina+ iray ho fanatitra noho ny ota. Ary hoentiny any amin’ny mpisorona ireo, eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana. 7 Hanolotra izany eo anatrehan’i Jehovah ny mpisorona, ka handrakotra ny fahotan-dravehivavy. Dia hadio ravehivavy raha ny amin’ny faritra nivoahan’ny rany.+ Izany no lalàna momba ny vehivavy tera-dahy na tera-bavy. 8 Raha tsy takatry ny volany ny ondry, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy:+ Ny iray ho fanatitra dorana, ary ny iray ho fanatitra noho ny ota. Ary handrakotra ny fahotan-dravehivavy+ ny mpisorona, ka hadio ravehivavy.’”