FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
  • Androany

Alahady 12 Oktobra

Hanampy anareo ho mafy orina [i Jehovah], sady hanatanjaka anareo, ary hataony mifototra tsara ianareo.​—1 Pet. 5:10.

Matetika ny olona manam-pinoana no lazain’ny Tenin’Andriamanitra hoe matanjaka. Na ny matanjaka indrindra amin’izy ireny aza anefa nahatsapa hoe tsy matanjaka indraindray. Nisy fotoana, ohatra, i Davida Mpanjaka nahatsapa hoe “mafy orina toy ny tendrombohitra”, nefa nisy fotoana koa izy “nihorohoro.” (Sal. 30:7) Niavaka ny herin’i Samsona rehefa niasa taminy ny fanahin’Andriamanitra. Niaiky koa anefa izy hoe “halemy, ary ho lasa hoatran’ny olon-drehetra ihany”, rehefa tsy eo intsony io hery avy amin’Andriamanitra io. (Mpits. 14:5, 6; 16:17) Rehefa nomen’i Jehovah hery ihany àry ireny lehilahy nanam-pinoana ireny vao natanjaka. Niaiky ny apostoly Paoly hoe nila hery avy amin’i Jehovah koa izy. (2 Kor. 12:9, 10) Fa maninona? Tsy salama izy. (Gal. 4:13, 14) Nisy fotoana koa mafy taminy ny nanao ny tsara. (Rom. 7:18, 19) Indraindray izy nanahy be, ary tsy fantany izay hitranga aminy. (2 Kor. 1:8, 9) Na nalemy aza anefa i Paoly, dia lasa nahery. Nahoana? Nomen’i Jehovah ny hery nilainy izy. Nanatanjaka azy i Jehovah. w23.10 12 § 1-2

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alatsinainy 13 Oktobra

I Jehovah ... mijery ny fo.​—1 Sam. 16:7.

Raha mahatsiaro ho tsy misy vidiny ianao indraindray, dia tadidio fa i Jehovah mihitsy no nitaona anao hanatona azy. (Jaona 6:44) Mahita zavatra tsara ao aminao izy, na dia tsy mahita an’ilay izy aza ianao. Fantany ny ao am-ponao. (2 Tan. 6:30) Raha miteny àry izy hoe sarobidy ianao, dia ianao indray ve no hisalasala? (1 Jaona 3:19, 20) Mety mbola hahatsiaro tena ho meloka foana ny sasany amintsika, noho izay nataontsika talohan’ny nianarana ny fahamarinana. (1 Pet. 4:3) Na ny Kristianina tsy mivadika aza mbola miady amin’ny fahalemeny ihany. Manameloka anao ve ny fonao? Raha izany, dia hampahery anao ny mahafantatra hoe na ny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika aza nanana fihetseham-po hoatr’izany koa. Nalahelo be, ohatra, ny apostoly Paoly rehefa nisaintsaina ny fahalemeny. (Rom. 7:24) Mazava ho azy fa efa nibebaka tamin’ny fahotany izy ary natao batisa. Mbola nilaza foana anefa izy hoe izy no “kely indrindra amin’ny apostoly” ary “lohany” amin’ny mpanota.​—1 Kor. 15:9; 1 Tim. 1:15. w24.03 27 § 5-6

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Talata 14 Oktobra

Nafoin’izy ireo ny tranon’i Jehovah.​—2 Tan. 24:18.

Misy lesona iray azontsika ianarana avy amin’ny fanapahan-kevitra ratsy noraisin’i Joasy Mpanjaka. Inona izany? Hoe namana hanampy antsika hanao ny tsara no mila fidintsika, izany hoe namana tia an’i Jehovah sy te hampifaly azy. Tsy voatery hoe izay mitovy taona aminao ihany no azonao atao namana. Tadidio fa zokin’i Joasy lavitra be i Joiada, nefa ry zareo mpinamana. Ary ny namanao? Eritrereto izao: ‘Manampy ahy hino kokoa an’i Jehovah ve ry zareo? Mampirisika ahy hanaraka ny fitsipik’Andriamanitra ve ry zareo? Ry zareo ve miresaka momba an’i Jehovah sy ny fahamarinana sarobidy? Asehony ve hoe manaja ny fitsipik’Andriamanitra izy? Izay tiako ho heno ihany ve no teneniny, sa izy sahy manitsy ahy rehefa manao ny tsy mety aho?’ (Ohab. 27:5, 6, 17) Raha tsorina aloha, dia tsy misy ilanao an’ireo namanao ireo raha tsy tia an’i Jehovah ry zareo. Fa raha tia an’i Jehovah kosa ny namanao, dia aza avotsotra mihitsy! Hanampy anao foana mantsy ny namana hoatr’izany.​—Ohab. 13:20. w23.09 9 § 6-7

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara