5 “Raha misy mpirahalahy miara-monina ary maty tsy nitera-dahy ny iray, dia tsy tokony ho lasa vadin’olon-kafa ny vady navelan’ny maty. Tokony handeha ho any amin-dravehivavy ny rahalahim-badiny, ary hampakatra azy ho vady ka hitondra loloha azy.+
6 Ary ny zaza voalohany hatera-dravehivavy aminy no hitondra ny anaran’ilay rahalahiny efa maty,+ mba tsy ho voakosoka tsy ho eo amin’ny Israely ny anarany.+
24 “Mpampianatra ô, nilaza i Mosesy hoe: ‘Raha misy lehilahy maty tsy niteraka, dia tsy maintsy mampakatra ny vady navelany ny rahalahiny mba hiteraka hamelo-maso ny maty.’+