FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 14:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Ary afa-nandositra ny lehilahy iray ka tonga nilaza tamin’i Abrama Hebreo,+ izay nonina teo afovoan’ireo hazoben’i Mamre Amorita.+ Rahalahin’i Eskola sy Anera+ io Mamre io, ary samy efa nanao fifanekena tamin’i Abrama izy ireo.

  • Genesisy 37:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Ary nisy Midianita mpivarotra+ nandalo. Dia nakarin’ny rahalahiny avy tao amin’ilay lavaka fanangonan-drano i Josefa,+ ka namidiny farantsa volafotsy roapolo tamin’ireo Ismaelita.+ Dia nentin’ireo nankany Ejipta i Josefa.

  • Genesisy 41:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Ary nisy tovolahy hebreo iray,+ mpanompon’ilay lehiben’ny mpiaro+ an’i Farao, niaraka taminay. Rehefa notantarainay taminy ny nofinay,+ dia nolazainy taminay ny heviny. Koa samy nilazany ny hevitry ny nofinay izahay.

  • Eksodosy 21:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 “Izay maka olona an-keriny,+ dia tsy maintsy vonoina ho faty,+ na efa namidiny ilay olona+ na mbola tratra eo an-tanany.

  • Asan’ny Apostoly 7:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Ary nialona+ an’i Josefa ireo loham-pianakaviantsika ka nivarotra azy ho any Ejipta.+ Nomba azy anefa Andriamanitra,+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara