FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 7:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Taorian’izany, dia hoy i Jehovah tamin’i Noa: “Midira ao anatin’ny sambofiara ianao sy ny ankohonanao manontolo,+ satria amin’izao taranaka izao, dia ianao no hitako fa marina eo anatrehako.+

  • Ezekiela 14:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 “‘Na dia atao aza hoe ao amin’izany tany izany ireto telo lahy ireto, dia i Noa+ sy Daniela+ ary Joba,+ dia ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.”+

  • Matio 24:37
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 37 Fa toy ny andron’i Noa,+ dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona.+

  • Hebreo 11:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Finoana no nanehoan’i Noa+ tahotra an’Andriamanitra sy nanamboarany sambofiara+ hamonjena ny ankohonany, rehefa nahazo fampitandremana avy tamin’Andriamanitra ny amin’ny zavatra mbola tsy hitany+ izy. Ary izany finoana izany no nanamelohany an’izao tontolo izao,+ ka tonga mpandova an’ilay fahamarinana+ izay araka ny finoana izy.

  • 1 Petera 3:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 izay tsy nankatò fahiny,+ rehefa niandry tamim-paharetana Andriamanitra+ tamin’ny andron’i Noa, raha mbola namboarina ny sambofiara.+ Olom-bitsy, eny, olona* valo no nentin’izy io ka tafita soa aman-tsara avy tamin’ny rano.+

  • 2 Petera 2:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Tsy niahotra koa Andriamanitra nanasazy an’ilay tontolo fahiny,+ fa niaro kosa an’i Noa, mpitory ny fahamarinana,+ sy ireo fito hafa,+ fony izy nahatonga safodrano+ teo amin’ny tontolon’ny olona tsy natahotra an’Andriamanitra.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara