Genesisy 8:21 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 21 Ary nandre hanitra mampitony+ i Jehovah, ka hoy i Jehovah anakampo:+ “Tsy hanozona ny tany+ intsony aho noho ny amin’ny olona, satria zava-dratsy foana no irin’ny fony,+ efa hatramin’ny fahazazany.+ Koa tsy horinganiko intsony tahaka izay efa nataoko ny zavamananaina rehetra.+ Mpitoriteny 7:29 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 29 Izao ihany no hitako: Mahitsy fo no nanaovan’Andriamanitra ny olombelona,+ saingy nitady tetika maro izy ireo.”+ Jeremia 17:9 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 9 “Mamitaka mihoatra noho ny zava-drehetra ny fo, sady sarotra fehezina.+ Iza no mahalala ny aminy? Matio 15:19 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 19 Avy ao am-po, ohatra, no ivoahan’ny eritreri-dratsy,+ ny vonoan’olona, ny fanitsakitsaham-bady, ny fijangajangana, ny halatra, ny fijoroana ho vavolombelona mandainga, ary ny fanevatevana zava-masina.*+ Jakoba 3:15 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 15 Tsy mba fahendrena avy any ambony+ izany, fa fahendrena avy eto an-tany+ sy araka ny nofo ary araka ny demonia+ kosa.
21 Ary nandre hanitra mampitony+ i Jehovah, ka hoy i Jehovah anakampo:+ “Tsy hanozona ny tany+ intsony aho noho ny amin’ny olona, satria zava-dratsy foana no irin’ny fony,+ efa hatramin’ny fahazazany.+ Koa tsy horinganiko intsony tahaka izay efa nataoko ny zavamananaina rehetra.+
29 Izao ihany no hitako: Mahitsy fo no nanaovan’Andriamanitra ny olombelona,+ saingy nitady tetika maro izy ireo.”+
19 Avy ao am-po, ohatra, no ivoahan’ny eritreri-dratsy,+ ny vonoan’olona, ny fanitsakitsaham-bady, ny fijangajangana, ny halatra, ny fijoroana ho vavolombelona mandainga, ary ny fanevatevana zava-masina.*+
15 Tsy mba fahendrena avy any ambony+ izany, fa fahendrena avy eto an-tany+ sy araka ny nofo ary araka ny demonia+ kosa.