FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 23:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Ankalazao koa ny fetin’ny fijinjana ny voaloham-bokatra,+ avy amin’izay nisasaranao sy nafafinao tany an-tsaha.+ Ary ankalazao koa ny fetin’ny fanangonam-bokatra atao amin’ny faramparan’ny taona, rehefa angoninao avy any an-tsaha ny vokatry ny fisasaranao.+

  • Nomery 29:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 “‘Amin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana fahafito,+ dia manaova fivoriambe masina.+ Aza manao asa mafy na inona na inona.+ Ary mankalazà fety ho an’i Jehovah mandritra ny fito andro.+

  • Deoteronomia 16:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 “Fito andro no hankalazanao ny fetin’ny trano rantsankazo,+ rehefa manangom-bokatra avy eny am-pamoloana sy avy amin’ny famiazan’olivanao sy ny famiazam-boalobokao ianao.

  • Ezra 3:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Dia nankalaza ny fetin’ny trano rantsankazo+ araka izay voasoratra izy ireo,+ ka nanao ireo sorona dorana isan’andro araka ny isa efa voatondro ho an’ny andro tsirairay.+

  • Nehemia 8:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Dia hitan’izy ireo voasoratra tao amin’ilay lalàna ny didy nomen’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy,+ hoe tokony hipetraka ao anaty trano rantsankazo+ ny zanak’Israely mandritra ny fety amin’ny volana fahafito.+

  • Zakaria 14:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 “Ary ny sisa tavela amin’ny firenena rehetra izay tonga hiady amin’i Jerosalema,+ dia hiakatra isan-taona+ hiankohoka eo anatrehan’ny Mpanjaka,+ dia i Jehovah Tompon’ny tafika,+ sy hankalaza ny fetin’ny trano rantsankazo.+

  • Jaona 7:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Akaiky anefa ny fetin’ny Jiosy, izany hoe ny fetin’ny tranolay.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara