FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 18:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Mifantena anefa lehilahy eo anivon’ny olona rehetra, dia lehilahy mahay,+ matahotra an’Andriamanitra,+ azo itokisana,+ ary tsy tia tombony azo amin’ny tsy rariny.+ Dia tendreo izy ireo ho lehiben’ny arivo,+ sy lehiben’ny zato, sy lehiben’ny dimampolo, ary lehiben’ny folo.+

  • Nomery 16:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Nitsangana teo anatrehan’i Mosesy izy ireo, mbamin’ny dimampolo sy roanjato lahy teo amin’ny zanak’Israely. Samy mpiadidy vahoaka ireo lehilahy ireo, sady nantsoina foana rehefa nisy fivoriana, ary lehilahy nanan-daza.

  • Nomery 34:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Ary haka mpiadidy iray isam-poko ianareo mba hizara ilay tany ho lova.+

  • Josoa 22:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Nisy mpiadidy folo nirahina niaraka taminy, dia mpiadidy iray isaky ny fianakaviambe* teo amin’ny foko rehetran’ny Israely. Ary ireo dia samy lohan’ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy sady mpifehy ny arivo teo amin’ny Israely.+

  • 2 Samoela 24:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Nanameloka+ an’i Davida anefa ny fony rehefa voaisany ny vahoaka. Koa hoy i Davida tamin’i Jehovah: “Tena nanao fahotana+ lehibe aho tamin’iny zavatra nataoko iny. Mba avelao* re ny fahadisoan’ny mpanomponao, Jehovah ô!+ Fa hadalana be mihitsy no nataoko.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara