FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 28:39
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 39 “Ary ataovy karôkarô ny tenon’ilay akanjo lava vita amin’ny rongony tena tsara. Manaova koa satroka amin’ny lamba rongony tena tsara,+ ary koa fehikibo lamba+ vita tenona.

  • Levitikosy 16:32
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 32 “Ary ny mpisorona izay ho voahosotra+ sy homena fahefana* hanao ny asan’ny mpisorona+ handimby+ an-drainy, dia handrakotra fahotana sy hanao fitafiana vita amin’ny lamba rongony.+ Fitafiana masina ireo.+

  • Ezra 3:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Rehefa nandatsaka ny fototry+ ny tempolin’i Jehovah ireo mpanorina, dia nitsangana ireo mpisorona nanao akanjo fisoronana+ izay nitondra trompetra,+ sy ireo Levita taranak’i Asafa+ nitondra kipantsona,+ ka nidera an’i Jehovah araka ny toromarik’i+ Davida mpanjakan’ny Israely.

  • Ezekiela 44:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 “‘Fitafiana vita amin’ny lamba rongony no hanaovany, rehefa hiditra ao amin’ireo vavahadin’ny tokotany anatiny izy ireo. Tsy tokony hisy fitafiana volonondry eny aminy, rehefa manompo ao amin’ny vavahadin’ny tokotany anatiny sy rehefa manompo ao anatiny izy ireo.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara