6 Koa hitondra fanatitra noho ny heloka+ izy noho ny nanotany, ka ondrivavy kely na osivavy+ kely no hoentiny ho an’i Jehovah ho fanatitra noho ny ota. Ary ny mpisorona handrakotra ny fahotany.+
12 Ary halain’ny mpisorona ny ondrilahy kely iray, ka hatolony ho fanatitra noho ny heloka,+ miaraka amin’ilay menaka iray loga.+ Dia hahetsiketsiny ho fanatitra ahetsiketsika+ eo anatrehan’i Jehovah izany.
12 Ho Nazirita+ eo anatrehan’i Jehovah izy mandritra ireo andro maha Nazirita azy, ary hitondra ondrilahy kely tsy mihoatra ny herintaona izy ho fanatitra noho ny heloka.+ Tsy hisaina ireo andro teo aloha, satria nolotoiny ny maha Nazirita azy.