FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 22:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 “Raha manao sorona biby ho sorona fisaorana ho an’i Jehovah+ ianareo, dia ataovy mba hahazoana sitraka izany.

  • 2 Tantara 29:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Farany dia hoy i Hezekia: “Nahazo fahefana ho mpisorona indray ianareo izao, mba hanao fanompoana ho an’i Jehovah.+ Koa manatòna, ka mitondrà sorona+ ary manatera sorona fisaorana+ ao an-tranon’i Jehovah.” Ary nitondra sorona sy nanatitra sorona fisaorana ny fiangonana, fa nitondra fanatitra dorana kosa izay rehetra natosiky ny fony.+

  • Nehemia 12:43
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 43 Nanao sorona maro be+ izy ireo tamin’izay andro izay sady nifaly,+ satria Andriamanitra mihitsy no nanao izay hahatsapany fifaliam-be.+ Nifaly koa ny zaza+ amam-behivavy,+ ka re hatrany lavitra ny fifaliana tao Jerosalema.+

  • Salamo 50:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Fisaorana no atolory ho sorona ho an’Andriamanitra,+

      Ary efao amin’ny Avo Indrindra ny voadinao.+

  • 2 Korintianina 9:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Atao manankarena amin’ny zava-drehetra ianareo, mba haneho fahalalahan-tanana isan-karazany, izay mahatonga ny olona hisaotra an’Andriamanitra,+ noho ny ezaka ataonay.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara