FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 17:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Ary ny olona* rehetra, na teratany izy na vahiny, ka mihinana biby maty ho azy, na biby noviravirain’ny bibidia,+ dia hanasa ny akanjony ary handro amin’ny rano. Haloto mandra-paharivan’ny andro izy,+ ary hadio avy eo.

  • Levitikosy 22:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Tsy hihinana biby maty ho azy na izay noviravirain’ny bibidia koa izy, sao ho voaloton’izany.+ Izaho no Jehovah.

  • Deoteronomia 14:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 “Aza mihinana biby maty ho azy.+ Azonao omena ny vahiny monina ao an-tanànanao kosa izany, ka izy no hihinana azy. Azo amidy amin’ny hafa firenena koa izany. Fa vahoaka masina ianao amin’i Jehovah Andriamanitrao.

      “Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.+

  • Ezekiela 4:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Koa hoy aho: “Indrisy, Jehovah Tompo Fara Tampony ô! Tsy olona maloto ange aho e!+ Ary mbola tsy nihinana biby maty ho azy aho na nihinana biby noviraviraim-biby, hatramin’ny fahazazako ka hatramin’izao.+ Ary mbola tsy niditra tamin’ny vavako ny hena maloto.”+

  • Ezekiela 44:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Tsy hohanin’ny mpisorona ny biby maty ho azy, mbamin’ny vorona sy ny biby efa noviravirain’ny bibidia.’+

  • Asan’ny Apostoly 10:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Ary nisy feo nanao taminy hoe: “Mitsangàna, ry Petera, vonoy ka hano!”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara