Genesisy 15:18 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 18 Tamin’io andro io no nanaovan’i Jehovah fifanekena tamin’i Abrama,+ nanao hoe: “Ny taranakao no homeko ity tany ity,+ hatrany amin’ny reniranon’i Ejipta ka hatrany amin’ny reniranon’i Eofrata,+ ilay renirano lehibe. Genesisy 17:8 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 8 Ary homeko anao sy ny taranakao handimby anao ny tany hivahinianao,+ eny, ny tany Kanana manontolo, mba ho fanananareo mandritra ny fotoana tsy voafetra. Dia ho Andriamaniny aho.”+ Salamo 105:11 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 11 Fa hoy izy: “Ianao no homeko ny tany Kanana+Ho anjara lovanareo.”+
18 Tamin’io andro io no nanaovan’i Jehovah fifanekena tamin’i Abrama,+ nanao hoe: “Ny taranakao no homeko ity tany ity,+ hatrany amin’ny reniranon’i Ejipta ka hatrany amin’ny reniranon’i Eofrata,+ ilay renirano lehibe.
8 Ary homeko anao sy ny taranakao handimby anao ny tany hivahinianao,+ eny, ny tany Kanana manontolo, mba ho fanananareo mandritra ny fotoana tsy voafetra. Dia ho Andriamaniny aho.”+