FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nomery 2:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 “Rehefa hifindra ny tranolay fihaonana,+ dia ho eo afovoan’ireo toby no hisy ny tobin’ny Levita.+

      “Araka izay hitobian’ireo foko ihany no hiaingany,+ samy amin’ny filaharany avy, araka ny fizarana misy azy.

  • Nomery 3:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Tao andamosin’ny tranolay no nisy ireo fianakavian’ny Gersonita.+ Nitoby teo andrefana izy ireo.

  • Nomery 3:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Ary nitoby teo amin’ny lafiny atsimo amin’ny tranolay ireo fianakavian’ny taranak’i Kehata.+

  • Nomery 3:35
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 35 I Zoriela zanak’i Abihaila no mpiadidy teo amin’ny fianakaviamben’ireo fianakavian’i Merary. Nitoby teo amin’ny lafiny avaratra amin’ny tranolay izy ireo.+

  • Nomery 3:38
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 38 I Mosesy sy Arona mbamin’ny zanany no nitoby teo anoloan’ny tranolay teo atsinanana, teo anoloan’ny tranolay fihaonana, nanandrify ny fiposahan’ny masoandro. Izy ireo no nanana andraikitra tamin’ny toerana masina,+ dia ny andraikitra tokony ho nataon’ny zanak’Israely. Ary raha misy olon-kafa manatona ho eo amin’ny toerana masina, dia hovonoina ho faty.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara