20 Koa tokony hanome ondry ianao hanavotana ny voalohan-teraky ny ampondra,+ fa raha tsy avotanao izy, dia velezo ny hatony mba hahafaty azy. Avoty koa ny lahimatoa rehetra amin’ny zanakao.+ Ary aoka tsy hisy hitondra tanam-polo rehefa mankeo anatrehako.+
27 Ary raha biby maloto+ no hamasininy, ka mila manavotra azy araka ny vidiny anombanana azy ilay olona, dia hanome ny vidiny izy sady mbola hampiany ampahadiminy.+ Fa hamidy araka izay vidiny anombanana azy kosa ilay izy, raha tsy avotana.