FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 26:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 dia izao kosa no hataoko aminareo: Hosaziko tokoa ianareo ka hivarahontsana sy ho voan’ny tioberkilaozy+ sy ny fanaviana mahery. Dia ho simba ny masonareo+ ary ho osa ny vatanareo.+ Ho very maina fotsiny ny namafazanareo voa, satria ny fahavalonareo no handany izany.+

  • Daniela 9:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Nandika ny lalànao ny Israely rehetra, sady tsy nankatò ny teninao.+ Koa nampiharinao taminay ny ozona sy ny fianianana+ voasoratra ao amin’ny lalàn’i Mosesy mpanomponao, satria nanota taminao izahay.

  • Malakia 2:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Raha tsy mihaino anefa ianareo,+ ka tsy mandatsaka am-po+ izany mba hanomezam-boninahitra ny anarako”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, “dia hozoniko ianareo,+ ary hovako ho ozona ny tsodrano omenareo.+ Eny, efa novako ho ozona mihitsy aza izany, satria tsy nandatsaka am-po ilay didy ianareo.”

  • Galatianina 3:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Nividy+ sy nanafaka+ antsika tamin’ny ozon’ny Lalàna i Kristy rehefa nanjary voaozona+ hisolo antsika, satria voasoratra hoe: “Voaozona izay mihantona eo amin’ny tsato-kazo.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara