FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 31:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Ary rehefa ianjadian’ny loza sy fahoriana maro izy ireo,+ dia ho vavolombelona hiampanga azy io hira io, satria tsy ho afaka am-bavan’ny taranany. Fantatro tsara mantsy ny toe-tsaina+ mihamahazo vahana eo amin’izy ireo amin’izao fotoana izao, na dia alohan’ny hampidirako azy ao amin’ilay tany nianianako taminy aza.”

  • Deoteronomia 32:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Hampitomboiko ny isan’ny loza mihatra aminy,+

      Ary hotaperiko aminy ny zana-tsipìkako.+

  • Nehemia 9:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Izany no nanoloranao azy teo an-tanan’ireo fahavalo+ nampahory+ azy. Rehefa azom-pahoriana anefa izy ireo dia nitaraina mafy taminao,+ ka renao avy tany an-danitra izany.+ Ary be famindram-po+ ianao, ka nanome mpamonjy+ mba hanafaka azy eo an-tanan’ny fahavalony.+

  • Ohabolana 1:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 eny, rehefa ho avy toy ny oram-baratra ny zavatra hatahoranareo, ary ho avy tahaka ny tafiotra ny loza hanjo anareo,+ ary ho tonga aminareo ny fahoriana sy ny fotoan-tsarotra.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara