FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 24:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Farany, dia noraisiny ny bokin’ny fifanekena+ ka novakiny teo anatrehan’ny vahoaka.+ Dia hoy ireo: “Vonona hanao sy hankatò izay rehetra nolazain’i Jehovah izahay.”+

  • Deoteronomia 17:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Ary rehefa mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakany izy, dia aoka hadikany amin’ny boky mba ho an’ny tenany ity lalàna ity izay tehirizin’ny Levita mpisorona.+

  • Deoteronomia 31:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 “Aoka halaina ity boky misy ny lalàna+ ity, ka apetraho eo anilan’ilay Vata+ misy ny fifanekena nataon’i Jehovah Andriamanitrareo, ary aoka izy io ho vavolombelona eo hiampanga anareo.+

  • Josoa 1:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Aoka tsy ho afaka am-bavanao+ ity boky misy ny lalàna ity. Ary vakio sy saintsaino andro aman’alina izany. Amin’izay ianao dia hitandrina tsara izay rehetra voasoratra ato,+ ka hahomby izay hataonao ary hanao zavatra amim-pahendrena ianao.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara