26 Aza mitondra zava-maharikoriko ho ao an-tranonao, sao ho voatokana haringana toy izany zavatra izany koa ianao. Tokony haharikoriko tanteraka anao izany, ary ho tena halanao,+ satria zavatra natokana haringana.+
18 Mitandrema anefa ianareo mba tsy hanakaiky ny zavatra atokana haringana,+ sao hotsiriritinareo+ ireny ka hakanareo,+ dia hahatonga ny tobin’ny Israely ho voatokana haringana ianareo ka hitondra loza aminy.+