8Dia hoy i Jehovah tamin’i Josoa: “Aza matahotra na mihorohoro.+ Ento miaraka aminao ny mpiady rehetra ka miakara any Ay. Fa atolotro eo an-tananao ny mpanjakan’i Ay sy ny vahoakany sy ny tanànany ary ny taniny.+
3 Dia niakatra ho any Ay i Josoa sy ny mpiady rehetra.+ Ary nifidy lehilahy matanjaka sy mahery fo+ niisa telo alina i Josoa, ka nandefa azy tamin’ny alina.