FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Rota 4:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Dia hoy ny olona rehetra teo am-bavahady sy ny anti-panahy: “Eny, vavolombelona izahay! Hataon’i Jehovah tahaka an’i Rahely+ sy Lea+ anie ilay vady ho tonga ao an-tranonao, eny, tahaka azy roa vavy izay niavian’ny taranak’Israely!+ Hahazo voninahitra anie ianao eto Efrata,+ ary halaza anie ny anaranao eto Betlehema!+

  • Rota 4:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Ary nanome anarana an’ilay zaza ireo vehivavy mpiara-monina taminy,+ sady nanao hoe: “Zazalahy no teraka ho an’i Naomy.” Koa nataon’izy ireo hoe Obeda+ ny anarany. Izy no rain’i Jese,+ rain’i Davida.

  • Salamo 20:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  5 Hihoby izahay noho ny famonjenao,+

      Ary hatsanganay amin’ny anaran’Andriamanitray ny saina entinay.+

      Hotanterahin’i Jehovah anie izay rehetra angatahinao!+

  • Matio 1:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  5 Salmona niteraka an’i Boaza tamin’i Rahaba;+

      Boaza niteraka an’i Obeda tamin’i Rota;+

      Obeda niteraka an’i Jese;+

  • Matio 1:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Jakoba niteraka an’i Josefa vadin’i Maria, ary i Maria niteraka an’i Jesosy,+ izay antsoina hoe Kristy.+

  • Hebreo 11:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Ary raha tsy amin’ny finoana,+ dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra,+ satria izay manatona azy dia tsy maintsy mino fa misy izy+ sady mpamaly soa+ an’izay mitady mafy azy.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara