FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Josoa 10:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Dia ren’i Adoni-zedeka mpanjakan’i Jerosalema fa efa nobaboin’i Josoa sy naringany tanteraka+ i Ay,+ ary toy ny nanaovany an’i Jeriko+ sy ny mpanjakany+ ihany no nanaovany an’i Ay sy ny mpanjakany.+ Reny koa fa efa nanaiky hihavana tamin’ny Israely+ ny mponin’i Gibeona ka nitoetra teo amin’izy ireo.

  • Josoa 10:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Tamin’io andro nanoloran’i Jehovah ny Amorita teo an-tanan’ny zanak’Israely io, no niresahan’i Josoa tamin’i Jehovah, ka nitenenany teo imason’ny Israely hoe:

      “Ry masoandro,+ aza mihetsika eo ambonin’i Gibeona!+

      Ary ianao, ry volana, aza mihetsika eo ambonin’ny lemaka ivan’i Aialona!”+

  • Josoa 18:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Anisany koa i Gibeona,+ Rama, Berota,

  • Josoa 21:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Ary ny avy tamin’ny fokon’i Benjamina dia i Gibeona+ sy ny kijanany, Geba+ sy ny kijanany,

  • 2 Samoela 20:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Nony teo akaikin’ilay vato lehibe ao Gibeona+ izy ireo, dia tonga nitsena azy i Amasa.+ Ary akanjo nisy fehikibo no nanaovan’i Joaba tamin’izay. Nisy sabatra teo amin’ny fehikibony, teo amin’ny andilany, ka tao anaty tranony ilay sabatra. Ary rehefa nanatona izy, dia latsaka ilay sabatra.

  • 1 Mpanjaka 3:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Ary niseho+ tamin’i Solomona tao amin’ny nofy+ i Jehovah nony alina, tao Gibeona. Koa hoy Andriamanitra: “Angataho izay tianao homeko anao.”+

  • 1 Tantara 14:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Koa nanao araka izay nandidian’Andriamanitra azy i Davida.+ Dia nasian’izy ireo ny tobin’ny Filistinina, hatrany Gibeona+ ka hatrany Gazera.+

  • 2 Tantara 1:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Dia nankany amin’ilay toerana avo tany Gibeona+ i Solomona sy ny fiangonana manontolo. Tany mantsy ilay tranolay fihaonana+ izay an’Andriamanitra, dia ilay naorin’i Mosesy mpanompon’i+ Jehovah, tany an-tany efitra.

  • Isaia 28:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Fa hitsangana toy ny teo amin’ny Tendrombohitra Perazima+ i Jehovah, ary ho tezitra toy ny teo amin’ny lemaka iva akaikin’i Gibeona+ izy, ka hanao zavatra sy hanao ny asany, nefa hafahafa ny zavatra ataony ary tsy mahazatra+ ny asany.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara