FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 25:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Izao no teny tonga tamin’i Jeremia momba ny olon’i Joda rehetra, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima+ zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, izany hoe, tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona,

  • Jeremia 46:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Izao no teny momba an’i Ejipta,+ eny, momba ny tafik’i Farao Neko mpanjakan’i Ejipta+ izay resin’i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona teo akaikin’ny reniranon’i Eofrata, any Karkemisy,+ tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima+ zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda:

  • Daniela 1:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 1 Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Joiakima+ mpanjakan’ny Joda, dia tonga tany Jerosalema i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, ka nanao fahirano azy.+

  • Daniela 3:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Nanao sarivongana+ volamena i Nebokadnezara Mpanjaka: Enimpolo hakiho ny haavony, ary enina hakiho ny sakany. Dia natsangany teo amin’ny lemak’i Dora teo amin’ny faritanin’i Babylona+ izy io.

  • Daniela 4:33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 33 Ary tamin’izay indrindra+ no tanteraka tamin’i Nebokadnezara izany teny izany, ka noroahina niala tamin’ny olombelona izy. Dia nihinana ahitra toy ny omby izy, ary lenan’ny andon’ny lanitra ny tenany, mandra-panirin’ny volony ho lava toy ny an’ny voromahery, ary ny hohony ho toy ny an’ny vorona.+

  • Daniela 4:37
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 37 “Koa ankehitriny, izaho Nebokadnezara dia midera sy manandratra ary mankalaza an’ilay Mpanjakan’ny lanitra,+ satria araka ny fahamarinana ny zava-drehetra ataony, ara-drariny ny lalany,+ ary vitany ny mampietry izay manambony tena.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara