FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 6:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Ary i Eleazara, zanakalahin’i Arona,+ naka ny iray tamin’ny zanakavavin’i Potiela ho vadiny. Tatỳ aoriana ravehivavy dia niteraka an’i Finehasa+ taminy.

      Ireo no lohan’ny fianakaviamben’ny Levita, araka ny fianakaviany avy.+

  • Levitikosy 10:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Dia hoy i Mosesy tamin’i Arona sy tamin’i Eleazara sy Itamara zanany lahy: “Aza avela hisavoritaka ny volonareo,+ ary aza rovitina ny akanjonareo, mba tsy ho faty ianareo, ary mba tsy ho tezitra amin’ny vahoaka manontolo izy.+ Fa ny rahalahinareo, dia ny taranak’Israely manontolo, no hitomany noho ny namonoan’i Jehovah azy roa lahy tamin’ny afo.

  • Nomery 3:32
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 32 Ary i Eleazara+ zanak’i Arona mpisorona no lehiben’ireo mpiadidy teo amin’ny Levita. Izy no mpiandraikitra an’ireo nanao ny andraikiny tamin’ny toerana masina.

  • Josoa 14:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Koa izao no nalain’ny zanak’Israely ho lovany tany amin’ny tany Kanana,+ ka i Eleazara mpisorona sy Josoa zanak’i Nona ary ireo lohan’ny fianakaviamben’ireo fokon’ny zanak’Israely, no nampandova azy an’izany.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara