- 
	                        
            
            2 Mpanjaka 18:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
- 
                            - 
                                        4 Izy no nanala ny toerana avo+ sy namotipotika ny tsangambato masina+ sy nikapa ny tsato-kazo masina+ ary nanorotoro an’ilay bibilava+ varahina nataon’i Mosesy.+ Mbola nanolotra setroka ho sorona+ ho an’io bibilava varahina io mantsy ny zanak’Israely hatramin’izany andro izany, ka nantsoina hoe sampy bibilava varahina ilay izy.+ 
 
- 
                                        
- 
	                        
            
            Ezekiela 8:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
- 
                            - 
                                        3 Dia nisy hoatran’ny tanana+ hitako natsotrany, ka noraisiny tamin’ny volon-dohako aho. Koa nisy fanahy*+ nanainga ahy ho eo anelanelan’ny tany sy ny lanitra, ka nitondra ahy tany Jerosalema, tao anatin’ny fahitana avy tamin’Andriamanitra.+ Nentiny ho eo amin’ny fidirana amin’ilay vavahady anatiny,+ izay mitodika mianavaratra, aho. Teo no nisy an’ilay sampy izay mahatonga an’Andriamanitra ho saro-piaro.+ 
 
-