FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nomery 14:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Fa aza mikomy amin’i Jehovah fotsiny!+ Ary aza atahorana ny olona ao amin’io tany io,+ fa sakafontsika ireo. Efa tsy manam-piarovana intsony izy,+ ary i Jehovah no momba antsika,+ ka aza matahotra azy.”+

  • Deoteronomia 20:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 ka hilaza hoe: ‘Mihainoa, ry Israely ô! Efa manatona hiady amin’ny fahavalonareo ianareo izao, koa aoka tsy ho ketraka ny fonareo.+ Aza matahotra na mikoropaka mandositra na mipararetra noho ny aminy,+

  • Josoa 1:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Koa mandidy anao indray aho+ hoe: ‘Mahereza sy matanjaha.’ Aza mivadi-po na mihorohoro,+ fa momba anao i Jehovah Andriamanitrao na aiza na aiza alehanao.”+

  • Salamo 27:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 I Jehovah no mpanazava+ sy mpamonjy ahy,+

      Koa iza no hatahorako?+

      I Jehovah no manda miaro ny aiko,+

      Koa iza no haharaiki-tahotra ahy?+

  • Romanina 8:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Inona àry no holazaintsika ny amin’izany? Raha momba antsika Andriamanitra, iza no hanohitra antsika?+

  • Hebreo 13:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Aoka ny fomba fiainanareo tsy hisy fitiavam-bola,+ fa aoka ianareo hianina+ amin’izay efa eo.+ Fa hoy izy: “Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao velively.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara