FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 32:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Nanao izay hahasaro-piaro+ Azy izy ireo noho ireo andriamani-kafa+ nivavahan’izy ireo,

      Sady tsy nitsahatra nampahatezitra Azy noho ireo zava-maharikoriko.+

  • Mpitsara 2:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Koa nahafoy an’i Jehovah Andriamanitry ny razany, izay nitondra azy nivoaka avy tany Ejipta,+ izy ireo ka lasa nanaraka andriamani-kafa, dia ireo andriamanitry ny firenena manodidina.+ Niankohoka teo anatrehan’ireny koa izy ireo, ka nampahatezitra an’i Jehovah.+

  • 1 Samoela 7:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Koa hoy i Samoela tamin’ny taranak’Israely manontolo: “Raha amin’ny fonareo manontolo no iverenanareo amin’i Jehovah,+ dia esory tsy ho eo aminareo ny andriamani-kafa+ sy ireo sarin’i Astarta.+ Atodiho amin’i Jehovah ny fonareo ka aza avela hiovaova, ary manompoa azy irery ihany,+ dia hanafaka anareo eo an-tanan’ny Filistinina izy.”+

  • 1 Mpanjaka 11:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Tamin’izay i Solomona no nanorina toerana avo+ teo amin’ilay tendrombohitra+ nanandrify+ an’i Jerosalema, ho an’i Kemosy,+ zava-maharikoriko+ notompoin’i Moaba, sy ho an’i Moleka, zava-maharikoriko notompoin’ny taranak’i Amona.

  • 1 Mpanjaka 12:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Koa naka hevitra+ ny mpanjaka, ka nanao zanak’omby volamena roa,+ ary niteny tamin’ny vahoaka hoe: “Mafy loatra aminareo ny miakatra any Jerosalema. Koa io ny Andriamanitrao+ izay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta, ry Israely ô!”+

  • 2 Mpanjaka 21:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Ary ilay tsato-kazo masina natao sokitra,+ dia napetrany tao amin’ilay trano+ izay nolazain’i Jehovah tamin’i Davida sy Solomona zanany hoe: “Ato amin’ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko teo amin’ny foko rehetran’ny Israely, no hametrahako ny anarako mandritra ny fotoana tsy voafetra.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara