FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 18:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Fantatro izao fa lehibe noho ny andriamanitra rehetra i Jehovah,+ rehefa jerena ny nanjo ny Ejipsianina izay nanao tsinontsinona ny Israelita.”

  • Salamo 97:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  9 Fa ianao, Jehovah ô, no Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo.+

      Misandratra avo dia avo noho ny andriamanitra rehetra ianao.+

  • Salamo 135:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  5 Fantatro tsara fa lehibe i Jehovah,+

      Ary ambony noho ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika.+

  • Isaia 44:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Aza matahotra ary aza gaga.+ Tsy efa nampahafantariko anareo tsirairay avy ve izany nanomboka tamin’izay fotoana izay? Ary tsy efa nambarako ve izany?+ Ianareo no vavolombeloko.+ Misy Andriamanitra hafa ankoatra ahy ve?+ Tsia, tsy misy Vatolampy hafa.+ Tsy mahafantatra aho na iray aza.’”

  • Malakia 1:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 “Voaozona izay fetsifetsy ka manao sorona biby misy tsininy ho an’i Jehovah rehefa mivoady, nefa misy biby tsy manan-kilema ihany ao amin’ny andiam-bibiny.+ Fa Mpanjaka lehibe+ aho, ary ny anarako dia mendrika hatahoran’ireo firenena”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.

  • 1 Korintianina 8:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 dia tsy misy afa-tsy Andriamanitra tokana+ ihany amintsika, dia ny Ray,+ izay niavian’ny zava-drehetra, ary ho azy isika.+ Ary tokana ihany ny Tompo,+ dia i Jesosy Kristy.+ Tamin’ny alalany no nanaovana ny zava-drehetra+ sady nanaovana antsika koa.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara