10 Hoy anefa i Jesosy: “Mandehana ianao, ry Satana, fa voasoratra hoe: ‘I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao,+ ary ho azy irery ihany+ no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.’”+
7 Ary nanao tamin’ny feo mafy izy hoe: “Matahora an’Andriamanitra+ ka omeo voninahitra izy,+ satria tonga ny ora fitsarany.+ Koa mivavaha amin’Ilay nanao+ ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.”+
9 Hoy anefa izy tamiko: “Tandremo! Aza manao izao! Fa mpanompo toa anao ihany aho, ary mpanompo toa an’ireo rahalahinao izay mpaminany+ sy toa an’ireo mitandrina ny teny amin’ity horonam-boky ity. Andriamanitra no ivavaho.”+