FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 49:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Ary hoy izy: “Tsy zavatra kely ny nahatongavanao ho mpanompoko hanangana ny fokon’i Jakoba, sy hampody an’ireo narovana teo amin’i Israely.+ Nomeko ho fahazavan’ny hafa firenena+ koa ianao, mba hitaran’ny famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany.”+

  • Asan’ny Apostoly 13:47
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 47 Fa nandidy anay tamin’izao teny izao i Jehovah: ‘Notendreko ho fahazavan’ny hafa firenena ianao,+ mba hamonjena ny olona hatrany amin’ny faran’ny tany.’”+

  • Asan’ny Apostoly 28:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Koa aoka ho fantatrareo fa hambara any amin’ny hafa firenena ilay ampiasain’Andriamanitra hitondra famonjena.+ Ireny no azo antoka fa hihaino ny fitoriana momba azy.”+

  • Romanina 10:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Manontany anefa aho hoe: Sao tsy nahare izy ireo? Raha ny marina, dia “efa nivoaka eran-tany ny feony,+ ary efa tonga hatrany amin’ny faran’ny tany onenana ny teny lazainy.”+

  • Kolosianina 1:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 raha maharitra amin’ny finoana+ ianareo, ka miorina tsara eo amin’ny fototra,+ ary tsy mihozongozona+ na voafindra hiala amin’ny fanantenana an’ilay vaovao tsara renareo+ sady notorina+ tamin’ny zavaboary+ rehetra eny ambanin’ny lanitra. Ary tonga mpanompo mitory an’io vaovao tsara io izaho Paoly.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara