FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Samoela 2:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Ho avy ny andro hanesorako ny herinao sy ny herin’ny ankohonan’ny razambenao, ka tsy hisy lehilahy ho tratrantitra ao amin’ny ankohonanao.+

  • 2 Mpanjaka 10:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Dia novonoin’i Jeho koa ny sisa rehetra tamin’ny ankohonan’i Ahaba tao Jezirela, mbamin’ny olo-manan-kajany+ rehetra sy ny namany ary ny mpisorony,+ ka tsy nasiany niangana na iray aza.+

  • Salamo 37:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Fa tia rariny i Jehovah,+

      Ka tsy hahafoy an’izay tsy mivadika aminy.+

      ע [Aina]

      Ho voaro mandritra ny fotoana tsy voafetra izy ireo,+

      Fa horinganina kosa ny taranaky ny ratsy fanahy.+

  • Jeremia 22:30
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Soraty ho isan’ny tsy manan-janaka io lehilahy io,+ dia lehilahy tsy hahita fahombiazana mandritra ny androm-piainany. Tsy hisy amin’ny taranany na iray aza hahita fahombiazana,+ ka hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida+ sy hanjaka ao Joda.’”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara