FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Estera 8:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Voalaza tao fa navelan’ny mpanjaka hifamory+ sy hiaro ny ainy ny Jiosy tany amin’ny tanàna rehetra, ka handripaka sy hamono ary handringana an’izay andian’olona mitam-piadiana any amin’ireo firenena+ sy faritany fahavalony, mbamin’ny zaza amam-behivavy, ary handroba ny fananan’ireny.+

  • Ohabolana 10:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Mitondra fifaliana ny fanantenan’ny marina,+ fa ho foana kosa ny fanantenan’ny ratsy fanahy.+

  • Daniela 3:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Ary nijery azy telo lahy ny lehibem-paritany sy ny mpiadidy sy ny governora ary ny olom-panjakana ambony+ izay tafavory teo, ka hitany fa tsy nisy vokany tamin’izy ireo ny afo,+ sady tsy nisy nikainkona ny volon-dohany,+ tsy niova ny lamba fitafiny, ary tsy nisy fofon’afo akory taminy.

  • Daniela 6:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Dia faly be ny mpanjaka,+ ka nandidy ny hampiakarana an’i Daniela avy tao an-davaka. Koa nakarina avy tao i Daniela, ary tsy nisy ratra mihitsy taminy, satria natoky an’Andriamaniny izy.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara