FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Josoa 7:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Nahita+ akanjom-boninahitra teo amin’ny zavatra azo babo aho, eny, akanjo tsara tarehy avy any Sinara,+ ary koa sekely* volafotsy roanjato sy vaingam-bolamena iray nilanja sekely dimampolo. Dia notsiriritiko izany+ ka nalaiko.+ Ary voafina ao anaty tany eo afovoan’ny tranolaiko izany, ka ao ambaniny ny vola.”+

  • Ezekiela 8:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Hoy ihany izy tamiko: “Hitanao ve izao, ry zanak’olona? Angaha mbola tsy ampy an’ireo taranak’i Joda ny zava-maharikoriko ataony eto, no mbola fenoiny herisetra+ koa ny tany ka manao izay hampahatezitra ahy indray izy ireo? Ataony eo amin’ny oroko mihitsy ilay rantsankazo.

  • Ezekiela 16:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 “‘Dia nalainao ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy izay naterakao tamiko,+ ka nataonao sorona ho an’ireny mba ho levona.+ Mbola tsy ampy anao angaha ny fivarotan-tena nataonao?

  • 2 Timoty 4:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Betsaka ny ratsy nataon’i Aleksandra+ mpanefy varahina tamiko—i Jehovah no hamaly azy araka izay nataony+—

  • Jakoba 1:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Koa esory ny fitondran-tena mahamenatra rehetra sy izay zavatra tsy ilaina, dia ny faharatsiana.+ Ary ekeo amim-pahalemem-panahy ny teny,+ izay afaka mamonjy ny ainareo,*+ ka amboleo ao am-ponareo.

  • 2 Petera 2:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Tsy manan-tsaina afa-tsy ny hanitsakitsa-bady+ izy ireo* sady tsy mety mitsahatra manota.+ Taominy koa ny olona* tsy miorina tsara. Manana fo efa nozarina hitsiriritra+ izy ireo, sady zanaka efa voaozona.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara