12 dia hotanterahiko tokoa izany teninao izany.+ Koa homeko fo hendry sy mahiratra ianao,+ ka tsy hisy tahaka anao na ny tany alohanao na ny any aorianao.+
31 Hiaraka hatsangana amin’ity taranaka ity mandritra ny fitsarana ny mpanjakavavin’ny+ atsimo ka hanameloka azy, satria avy any amin’ny faran’ny tany izy no tonga mba hihaino ny fahendren’i Solomona. Misy lehibe noho+ i Solomona anefa eto.