FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Salamo 122:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Any no iakaran’ireo foko,+

      Dia ireo fokon’i Jah,+

      Araka ny fampahatsiahivana nomeny ho an’ny Israely,+

      Mba hisaotra ny anaran’i Jehovah.+

  • Isaia 2:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Maro ny olona ho any, ka hanao hoe: “Avia!+ Andao isika hiakatra ho any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba. Hampianatra antsika ny lalany izy, ary handeha amin’ny atorony isika.”+ Fa avy ao Ziona no hivoahan’ny lalàna, ary avy ao Jerosalema ny tenin’i Jehovah.+

  • Isaia 25:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Ary hanao fanasambe ho an’ny firenena rehetra i Jehovah+ Tompon’ny tafika eto amin’ity tendrombohitra+ ity, dia fanasambe misy hanim-pito loha,+ fanasambe misy divay efa naotrika ela,* eny, fanasambe misy hanim-pito loha sady feno tsoka,+ sy divay+ efa naotrika ela ka notantavanina.+

  • Isaia 52:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 52 Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao,+ ry Ziona ô! Anaovy ny akanjonao tsara tarehy,+ ry Jerosalema tanàna masina+ ô! Fa tsy hankao aminao intsony ny tsy mifora sy ny tsy madio.+

  • Jeremia 3:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Hantsoina hoe ny seza fiandrianan’i Jehovah i Jerosalema+ amin’izany andro izany, ka any no hanangonana ny firenena rehetra+ mba hankalazaina any ny anaran’i Jehovah.+ Ary tsy handeha araka ny ditran’ny fo ratsiny+ intsony izy ireo.”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara