FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 7:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Dia nivoaka ny tanàna ny olona ka nandroba+ ny tobin’ny Syrianina. Koa nanjary sekely iray monja ny vidin’ny lafarinina tsara toto eran’ny seha, ary sekely iray koa ny vidin’ny vary orza indroan’ny seha, araka ny tenin’i+ Jehovah.

  • 2 Tantara 14:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Koa nenjehin’i Asa sy ny miaramilany hatrany Gerara+ ny Etiopianina, ka lavo niampatrampatra ary tsy nisy niangana intsony tamin’ny farany. Fa ripaka teo anatrehan’i Jehovah+ sy ny tobiny+ izy ireo. Ary namabo zavatra be dia be+ i Asa sy ny miaramilany.

  • 2 Tantara 20:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Koa nankeny amin’ireo faty i Josafata sy ny vahoakany mba handroba+ izay teny amin’ireny, ka nahita zavatra be dia be ary koa fitafiana sy zava-tsarobidy maro be. Dia nendahany daholo izay azony nalaina teny amin’ireo faty, ka nentiny daholo izay zakany.+ Telo andro izy ireo no nanao izany satria maro be ireo zavatra azo nobaboina.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara