Genesisy 12:1 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 12 Ary hoy i Jehovah tamin’i Abrama: “Mialà amin’ny taninao sy ny havanao ary ny ankohonan-drainao, ka mankanesa any amin’ny tany izay hasehoko anao.+ Genesisy 15:2 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 2 Dia hoy i Abrama: “Ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô, inona no homenao ahy? Ho faty ihany aho nefa mbola tsy manan-janaka, ka i Eliezera+ avy any Damaskosy, no hahazo ny ao an-tranoko.” Nehemia 9:7 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 7 Ianao no Jehovah Andriamanitra, izay nifidy an’i Abrama+ sy nitondra azy niala tao Oran’ny Kaldeanina,+ ka nanova ny anarany ho Abrahama.+ Ezekiela 33:24 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 24 “Ry zanak’olona, hoy ny mponin’ireny tanàna rava+ ireny momba ny tanin’ny Israely: ‘I Abrahama irery aza nahavita naka an’io tany io,+ koa mainka fa isika maro be ireto? Efa nomena ho fananantsika io tany io.’+
12 Ary hoy i Jehovah tamin’i Abrama: “Mialà amin’ny taninao sy ny havanao ary ny ankohonan-drainao, ka mankanesa any amin’ny tany izay hasehoko anao.+
2 Dia hoy i Abrama: “Ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô, inona no homenao ahy? Ho faty ihany aho nefa mbola tsy manan-janaka, ka i Eliezera+ avy any Damaskosy, no hahazo ny ao an-tranoko.”
7 Ianao no Jehovah Andriamanitra, izay nifidy an’i Abrama+ sy nitondra azy niala tao Oran’ny Kaldeanina,+ ka nanova ny anarany ho Abrahama.+
24 “Ry zanak’olona, hoy ny mponin’ireny tanàna rava+ ireny momba ny tanin’ny Israely: ‘I Abrahama irery aza nahavita naka an’io tany io,+ koa mainka fa isika maro be ireto? Efa nomena ho fananantsika io tany io.’+