20 “Raha mikapoka ny hazo olivanao ianao, dia aza iverenana indray ireo sampany. Tokony havela ho an’ny mpivahiny sy ny kamboty ray ary ny mpitondratena ireny.+
2 Farany, dia hoy i Gideona tamin’ireo: “Fa inona moa no mba vitako raha ampitahaina amin’ny vitanareo?+ Tsy ny sisam-boaloboka notazan’ny Efraimita+ aza ve no tsara kokoa noho ny voaloboka rehetra notazan’ny Abi-ezerita?+
13 Dia ho toy izany no hitranga ao amin’ilay tany, eo amin’ireo firenena, izany hoe ho toy ny rehefa manintsana voan’oliva,+ sy ho toy ny rehefa mioty izay voaloboka sisa aorian’ny fotoam-piotazana.+
27 Tsy izay ihany fa izao koa no antsoantson’i Isaia momba ny Israely: “Na dia mety ho toy ny fasika any an-dranomasina+ aza ny isan’ny zanak’Israely, dia ny sisa tavela no hovonjena.+