FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 18:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 “‘Aza misy atokana*+ ho an’i Moleka+ ny taranakao. Aza zimbazimbaina+ amin’izany fomba izany ny anaran’Andriamanitrao. Izaho no Jehovah.+

  • Levitikosy 20:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Ary izaho kosa hanameloka* azy ka haringako tsy ho eo amin’ny fireneny izy,+ satria nisy natolony ho an’i Moleka ny taranany, mba handotoany ny toerako masina+ sy hanazimbazimbany ny anarako masina.+

  • Deoteronomia 17:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 ka lasa manompo andriamani-kafa sy miankohoka aminy, na amin’ny masoandro, na amin’ny volana na amin’izay rehetra eny amin’ny lanitra,+ nefa zavatra tsy mba nandidiako+ izany,

  • Jeremia 19:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Nanorina an’ireo toerana avo ho an’i Bala koa izy ireo mba handoroany ny zanany amin’ny afo, ho fanatitra dorana manontolo ho an’i Bala,+ nefa tsy nandidy azy hanao izany aho na nilaza izany taminy,+ ary tsy tao an-tsaiko* akory aza izany.”’+

  • Jeremia 32:35
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 35 Nanorina an’ireo toerana avo ho an’i Bala,+ ao amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma,+ koa izy ireo mba handoroana* ny zanany lahy sy ny zanany vavy ao anaty afo,+ ho an’i Moleka.+ Tsy nandidy azy hanao izany anefa aho+ ary tsy tao an-tsaiko* akory aza ny hanao izany zava-maharikoriko izany.+ Nanao izany izy ireo mba hahatonga ny Joda hanota.’+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara