FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 14:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Maminany amin’ny anarako ireo mpaminany ireo nefa tsy nirahiko. Milaza izy ireo fa tsy hisy sabatra na mosary hamely an’ity tany ity. Koa izao no nolazain’i Jehovah momba azy ireo: ‘Sabatra sy mosary mihitsy no handripaka an’ireo mpaminany ireo.+

  • Jeremia 34:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 “Koa izao no nolazain’i Jehovah: ‘Tsy nankatò ahy ianareo, satria tsy nanao antso avo tamin’ny rahalahinareo sy ny namanareo intsony hoe tokony hafahana+ ny mpanompo. Koa izao kosa no fahafahana ataoko antso avo aminareo:+ Ho fatin’ny sabatra+ sy ny areti-mandringana+ ary ny mosary+ ianareo’, hoy i Jehovah. ‘Ary hataoko mangovitra mihitsy ny fanjakana rehetra eto an-tany mahita an’izay hanjo anareo.+

  • Ezekiela 5:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Ny ampahatelonareo ho fatin’ny areti-mandringana+ sy ho ripaky ny mosary eo anivonareo.+ Ary ny ampahatelony kosa ho lavon-tsabatra manodidina anareo. Ny ampahatelony sisa kosa haeliko any amin’ny vazan-tany efatra,+ ary hanatsoaka sabatra aho hamelezana azy ireo.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara