FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ohabolana 21:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Zava-maharikoriko ny sorona ataon’ny ratsy fanahy,+ mainka moa raha olona manana fitondran-tena baranahiny no manatitra izany.+

  • Isaia 1:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Aza mitondra fanatitra+ varimbazaha intsony, fa tsy misy dikany ireny. Ary zava-maharikoriko amiko ny emboka manitra.+ Mankalaza tsinam-bolana+ sy mitandrina sabata+ ianareo, ary mandamina fivoriambe.+ Tsy zakako anefa ny ataonareo, satria sady mampiasa herin’ny maizina+ ianareo no manao fivoriambe manetriketrika.

  • Jeremia 7:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Mbola tonga mitsangana eto anatrehako ato amin’ity trano niantsoana ny anarako+ ity ihany anefa ianareo, ary manao hoe: ‘Tsy maintsy ho voavonjy isika’, na dia manao izany zava-maharikoriko rehetra izany aza.

  • Ezekiela 23:39
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 39 Rehefa namono ny zanany ho an’ireo sampiny maharikoriko izy ireo,+ dia nankao amin’ny toerako masina mihitsy tamin’izany andro izany mba hanazimbazimba azy io.+ Izany no nataon’izy ireo tao amin’ny tranoko.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara