Josoa 11:20 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 20 Navelan’i Jehovah hikiribiby+ mantsy izy ireo mba hiadian’izy ireo amin’ny Israely. Amin’izay dia hatokana haringana izy ireo ka tsy hahazo indrafo,+ fa haripaka tanteraka, araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.+ Salamo 95:8 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 8 Dia aza manamafy ny fonareo toy ny tao Meriba,+Sy toy ny tao Masa, tany an-tany efitra,+ Ezekiela 3:7 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 7 Fa ny taranak’Israely kosa tsy te hihaino anao, satria tsy te hihaino ahy izy ireo.+ Mafy hatoka sy mafy loha daholo mantsy ny taranak’Israely.+ Hebreo 3:15 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 15 dieny mbola lazaina hoe: “Raha mihaino ny feony ianareo anio,+ dia aza manamafy ny fonareo toy ny tamin’ilay fotoana nampisy fahatezerana mafy.”+
20 Navelan’i Jehovah hikiribiby+ mantsy izy ireo mba hiadian’izy ireo amin’ny Israely. Amin’izay dia hatokana haringana izy ireo ka tsy hahazo indrafo,+ fa haripaka tanteraka, araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.+
7 Fa ny taranak’Israely kosa tsy te hihaino anao, satria tsy te hihaino ahy izy ireo.+ Mafy hatoka sy mafy loha daholo mantsy ny taranak’Israely.+
15 dieny mbola lazaina hoe: “Raha mihaino ny feony ianareo anio,+ dia aza manamafy ny fonareo toy ny tamin’ilay fotoana nampisy fahatezerana mafy.”+