FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 14:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Nanao toerana avo+ ho an’ny tenany koa izy ireo, ary nanao tsangambato masina+ sy tsato-kazo masina,+ teny amin’ny havoana+ avo rehetra sy teny ambanin’ny hazo midoroboka+ rehetra.

  • Isaia 65:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 noho ny fahadisoany sy ny fahadisoan’ny razany”,+ hoy i Jehovah. “Nanolotra setroka ho sorona teny an-tendrombohitra izy ireo, ary nanala baraka ahy+ teny an-kavoana.+ Koa hamatra ny karamany ao an-tratran’akanjony+ aho aloha.”

  • Jeremia 3:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Ary hoy i Jehovah tamiko tamin’ny andron’i Josia Mpanjaka:+ “‘Hitanao ve izay nataon’ny Israely mpivadika?+ Mandeha eran’ny tendrombohitra avo rehetra izy+ sady mankeny ambanin’ny hazo midoroboka rehetra+ mba hivaro-tena.+

  • Ezekiela 20:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Kanefa nentiko tany amin’ilay tany+ efa nananganako tanana sy nianianako homena azy ihany izy ireo.+ Isaky ny nahita havoana avo+ sy hazo maro rantsana anefa izy ireo, dia nanolotra sorona+ sy fanatitra mahatezitra teny amin’ireny. Teny koa izy ireo no nanolotra hanitra mampitony,+ ary teny izy ireo no nandraraka fanatitra zava-pisotro.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara