FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 28:38
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 38 “Be dia be ny voa hoentinao hafafy any an-tsaha, fa kely ny vokatra hangoninao,+ satria ho lanin’ny valala izany.+

  • Jeremia 12:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Varimbazaha no nafafin’izy ireo nefa tsilo no nojinjainy.+ Niasa mafy izy ireo ka nandraiky narary mihitsy nefa tsy nahitan-tsoa izany.+ Ho menatra tokoa izy ireo noho ny vokatra azony, satria tezitra mafy i Jehovah.”

  • Joela 1:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Voaroba ny saha,+ misaona ny tany,+ fa norobaina ny varimbazaha, sady ritra ny divay vaovao,+ ary nihalany ny menaka.+

  • Amosa 5:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Mitaky hofan’ny toeram-pambolena amin’ny mahantra ianareo sady mampandoa azy hetram-barimbazaha.+ Koa izao no hanjo anareo: Efa nanao trano tamin’ny vato voapaika ianareo,+ nefa tsy hipetraka ao intsony. Ary efa nanao tanimboaloboka mahafinaritra ianareo, nefa tsy hisotro divay avy aminy intsony.+

  • Hagay 1:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Be no nafafinareo, nefa kely no taomina.+ Mihinana ianareo nefa tsy voky.+ Misotro ianareo nefa tsy ampy hahamamo akory izany. Mitafy ianareo nefa tsy mafana. Ary izay mikarama dia mahazo karama hatao ao anaty kitapo loaka.’”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara