FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 29:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 sy ny solifara sy ny sira+ ary ny afo+ mandoro, izay hahatonga ilay tany manontolo tsy hamafazam-boa sady tsy hisy voa hitsimoka na zavatra haniry. Toy izany no nandravana an’i Sodoma sy Gomora+ sy Adma+ ary Zeboima,+ izay noravan’i Jehovah tao anatin’ny fahatezerany sy ny fahavinirany.+

  • Isaia 13:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Dia ho rava toy ny nanaovan’Andriamanitra an’i Sodoma sy Gomora+ i Babylona, ilay ravak’ireo fanjakana,+ ilay hatsaran-tarehin’ny Kaldeanina+ sy reharehany.

  • Jeremia 50:40
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 40 “Toy ny nandravan’Andriamanitra an’i Sodoma sy Gomora+ ary ireo tanàna manodidina azy”,+ hoy i Jehovah, “no hanjo an’i Babylona, ka tsy hisy honina intsony ao, ary tsy hisy zanak’olombelona hivahiny ao.+

  • Joela 3:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Ary hanjary ho lao i Ejipta,+ ary ho tany efitra lao i Edoma,+ noho ny herisetra nataon’izy ireo tamin’ny taranak’i Joda, dia ny nandatsahany ran’olona tsy manan-tsiny, tany Joda.+

  • Joda 7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Toy izany koa i Sodoma sy Gomora ary ny tanàna teny akaikiny,+ izay samy nanaram-po tamin’ny fijangajangana toy ireo anjely ireo koa, ka nanaraka ny filan’ny nofony mba hanao zavatra tsy fanao.+ Aseho ho anatra+ ho antsika ireo tanàna ireo, rehefa notsaraina ka nosazina tamin’ny afo maharitra mandrakizay.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara