113 Miderà an’i Jah!+
Manaova fiderana, ry mpanompon’i Jehovah.+
Derao ny anaran’i Jehovah.+
2 Hisaorana anie ny anaran’i Jehovah+
Manomboka izao ka hatramin’ny fotoana tsy voafetra!+
3 Hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany,+
Dia hoderaina ny anaran’i Jehovah.+
4 Nanjary avo noho ny firenena rehetra i Jehovah.+
Ambonin’ny lanitra ny voninahiny.+
5 Iza no tahaka an’i Jehovah Andriamanitsika,+
Izay monina any amin’ny avo?+
6 Miondrika hijery ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany izy,+
7 Atsangany hiala amin’ny vovoka+ ny olona ambany,
Ary ny mahantra kosa asandrany avy ao anaty lavaka misy lavenona,+
8 Mba hiara-mipetraka amin’ny olona ambony,+
Dia ny olona ambony eo amin’ny vahoakany.+
9 Omeny trano hipetrahana ny vehivavy momba,+
Ka ataony tonga reny falifaly noho ny fananana zanaka maro.+
Miderà an’i Jah!+