FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 10:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Fa Andriamanitry ny andriamanitra+ sy Tompon’ny tompo+ i Jehovah Andriamanitrareo. Izy no Andriamanitra lehibe sy mahery ary mendrika hatahorana,+ izay tsy miangatra amin’iza na iza,+ ary tsy mandray kolikoly,+

  • 2 Tantara 19:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Koa aoka hatahotra+ an’i Jehovah ianareo.+ Mitandrema tsara amin’izay ataonareo,+ fa tsy misy tsy fahamarinana ao amin’i Jehovah Andriamanitsika,+ ary tsy mba miangatra+ na mandray kolikoly+ izy.”

  • Joba 34:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Eo anefa Ilay tsy miangatra amin’ny andriana,

      Sady tsy mba manaja ny olona ambony mihoatra noho ny olona ambany,+

      Satria samy asan’ny tanany ireny.+

  • Romanina 2:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra.+

  • Galatianina 2:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Fa raha ny amin’ireo lehilahy heverina ho ambony+ kosa, amiko ireny lehilahy niavaka ireny dia tsy nampita zava-baovao. Ary tsy zava-dehibe loatra amiko na karazan’olona nanao ahoana na nanao ahoana izy ireny taloha.+ Andriamanitra mantsy tsy mijery ny miseho ivelany amin’ny olombelona.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara