FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 6:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Ary izao no tantaran’i Noa:

      Olo-marina i Noa.+ Tsy nisy tsiny izy, tsy mba hoatran’ny mpiara-belona taminy.* Niara-nandeha tamin’Andriamanitra izy.+

  • Deoteronomia 8:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 “Araho àry ny didin’i Jehovah Andriamanitrao, ka mandehana amin’ny lalana atorony ary matahora azy.

  • Deoteronomia 13:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 I Jehovah Andriamanitrareo no tokony harahinareo, ary izy no tokony hatahoranareo. Ny didiny no tokony hankatoavinareo, ary ny feony no tokony hohenoinareo. Izy no tokony hotompoinareo sy hifikiranareo.+

  • 3 Jaona 4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Tsy misy mahafaly* ahy noho ny maheno hoe tsy miala amin’ny fahamarinana mihitsy ny zanako.+

  • Joda 14, 15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Naminany momba azy ireny koa i Enoka,+ ilay taranaka fahafito avy tamin’i Adama, rehefa nilaza hoe: “Efa tonga i Jehovah,* miaraka amin’ny anjeliny masina an’alinaliny,+ 15 mba hitsara ny olona rehetra+ sy hanasazy an’izay rehetra tsy matahotra an’Andriamanitra. Hosazin’Andriamanitra ireny mpanota ireny noho ny zava-dratsy rehetra nataony sy ny teny fanaratsiana rehetra nolazainy.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara