2 Akao fito avy ny karazam-biby madio rehetra,*+ dia lahy sy vavy, ary ento miditra miaraka aminao. Fa amin’ny biby tsy madio rehetra kosa, dia roa avy fotsiny no halainao, izany hoe lahy sy vavy.
25 Avaho ny biby madio sy ny maloto, ary ny vorona maloto sy ny madio.+ Ary mitandrema sao haharikoriko ahy ianareo noho ny amin’ny biby sy vorona ary biby mandady amin’ny tany, izay efa navahako hoe maloto aminareo.+