-
Eksodosy 5:19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Ary hitan’ireo Israelita mpanara-maso ny mpiasa fa nidiran-doza izy ireo noho ilay didy hoe: “Tsy azonareo ahena mihitsy ny isan’ny biriky enjehinareo isan’andro.”
-
-
Nomery 14:2, 3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Ary nimenomenona tamin’i Mosesy sy Arona ny Israelita rehetra.+ Dia nanohitra azy roa lahy ny vahoaka manontolo, hoe: “Naleonay maty tany Ejipta na tatỳ an-tany efitra! 3 Fa maninona isika no entin’i Jehovah ho any amin’izany tany izany, dia ho fatin’ny sabatra any?+ Ho lasa babo any ny vadintsika sy ny zanatsika.+ Tsy aleontsika ve miverina any Ejipta e?”+
-